Taratasy ilaina
Ny Olona mahazo ny “ Trano Mora”
• Tanora, loham-pianakaviana,
• Na vavy na lahy, latsaky ny 35 taona, manambady na tsia
• Manana anton’asa mampidi-bola
• Mipetraka ao anatin’ny faritany 6
Ny Taratasy Ilaina
1. Fangatahana vita sora-tànana
2. Dika mitovin’ ny kara-panondrom-pirenena
3. Certificat administratif/ Taratasy fanamarinana ny anton’asa
4. Dika mitovin’ ny bokim-pianakaviana na kopian’ny naterahan’ny zanaka (acte de naissance)
5. Taratasy fanamarinana fandraisam-bola na taratasy fandoavan-ketra alohan’ny 12 Septambra 2011
6. Taratasy avy amin’ny banky manamarina ny fisian’ny vola na ny hanomezany ny vola mifanentana amin’ny vidin’ny trano ao amin’ny kaonty, na taratasy avy any amin’ny mpampiasa miantoka ny vidin’ny trano (« lettre de garantie bancaire mentionnant l’existence du montant correspondant au prix du logement sur le compte ou la mise à disposition du montant correspondant au prix du logement ou une lettre administrative de prise en charge de l’achat du logement »)
7. Kopian’ny soram-piankohonana
8. Taratasy fanamarinam-ponenana
9. Taratasy “fanadihadiana momba ny mpangataka” voafeno
Fanamarihana
• ny antontan-taratasy feno sy ampy ihany no ho voaray.
• ny antontan-taratasy rehetra ilaina dia tokony ho latsaky ny telo (3) volana
• rehefa hameno ny taratasy “fanadihadiana momban’ny mpangataka” : dia entina daholo ny taratasy rehetra ilaina.
Ny daty farany azo hanaterana ny taratasy rehetra dia ny 2 desambra 2011
Ministère de l’Aménagement du Territoire et de la Décentralisation
Anosy, Antananarivo 101, MADAGASCAR
e-mail :
Cet adresse mail est protégé contre les spambots. Vous avez d'activer le javascript pour la visualiser.










