Nanentana ny SEMPAMA handray ny asany ny Praiminisitra lefitra.
Nandritra ny fidinan’ny praiminisitra lefitra tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny 10-11 mey 2012, tamin’iny faritra avaratra andrefan’ny nosy iny, dia namita iraka avy amin’ny governemanta momba ireo fitakiana samihafa nisesy ankehitriny izy. Tamin’ izany no nihaonany tamin’ ireo tompon’andraikitry ny fampianarana sy ireo sendikan ‘ny mpampianatra (SEMPAMA) tao Mahajanga sy Maevantanana.
Karama 05 volana no nomen’ny Primatiora lefitra
Ny alakamisy faha-10 volana Mey 2012 dia nihaona tamin’ ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaomina andrenivohitr’I Mahajanga notarihin’ny ben’ny tanàna ny Praiminisitra lefitra sy ireo mpiara-dia taminy. Nohararaotin’ireo mpiasan’ny kaominina nisaorana azy noho ny fanampiana nentiny tamin’ny fandoavana ny karama 04 volana ity fotoana ity. Atoa Hajo Andrianainarivelo kosa dia mbola nanampy ny fanampiana,
Ho hamboarina ny lalana eo an-tampon-tanànan’I Marovoay
Sompitra faharoa eto Madagasikara I Marovoay satria mamokatra vary hatramin’ny 500.000t ka amin’izao fitondrana tetezamita izao, dia fotodrafitr’asa vitsivitsy toa ny biraon ‘ny CNAPS, Minisiteran’ny jono no eo am-panamboarana, ankoatra ny tranon’ny federasion’ny tantsaha, Boina miray.
Karatany 349 no nozaraina tany Marovoay
Karatany 349 amin’ny velaran-tany 2.325.569 m2 no nozaraina ho an’ireo tantsaha mpamboly tao Marovoay tamin’ny zoma 11 mey 2012 lasa teo, ka tonga nanolotra izany tany antoerana ny praiminisitra lefitra misahaana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo sy ny minisitry ny fambolena ary ny minisitry ny serasera, ireo manampahefana avy any antoerana.
La lutte contre la corruption dans le secteur foncier poursuit sa route
La mise en œuvre du plan d’action de la convention entre le Bianco et la Direction Générale des Services Fonciers (DGSF) a été officiellement lancée le 07 mai 2012 à Anosy. Un comité technique conjoint composé des agents du BIANCO et de la DGSF s’est chargé de la conception de stratégies de communication, de prévention et d’éducation dans le cadre de la lutte contre la corruption dans le secteur foncier.











