Fanolorana fankasitrahana ho an'ireo atleta nanao ny lalao ny nosy
Notoloran’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana fankasitrahana androany 18/08/11 ireo mpilalao Haltérophilie sy ny mpilalao basket vehivavy niatrika ny lalaon’ny nosy tany Seychelles. Ireo taranja roa ireo izy samy notohanan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana avokoa, ary samy nazahoam-bokatra tsara tamin’ny fiarovana ny voninahitry Madagasikara.
Vola mitetina 14 800 000 fmg na 2 960 000 Ar no natolotra ho an’ny mpilalao hartérophilie izay nahazo medaly 34 , ka 6 medaly volamena, 13 volafotsy, 15 alimo, samy nahazo ny ajarany avokoa ireo mpilalao nahazo medaly sy ny tsy nahazo ary ireo encadreur . Ireto mpilalao ireto izay nanolotra marim-pankasitrahana ihany koa ho an’ny minisitra Hajo Andrianainarivelo.
Vola mitetina 3 000 000 Ar kosa indray no natolotra ny ekipa vehivavy mpialalao basket izay nibata ny medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy ihany.
Ankoatr’izay dia notolorana jiolahim-bola na argent de poche mitetina 3 000 000 Ar ary tennis fanaovana baolina ireo ekipam-pirenena mpanao basket lehilahy izay miatrika ny fifaninana Afrobasket men amin’izao fotoana izao.
Ankoatr’ireo rehetra ireo dia samy nozaraina kitapo mari-pahatsiarovana avokoa ireo ekipa mpilalao fanatanjahan-tena izay notohanan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana ireo.
Nanolotra ireo mari-pankasitrahana ireo androany ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana Hajo ANDRIANAINARIVELO, izay fotoana ihany koa nanehoany ny hafaliany tamin’ny vokatra azo nandritra ny lalaon’ny nosy, nitondrany ihany koa ny teny fisaorana. Nandritra izany no nanehoan’ny minisitra Hajo Andrianainarivelo ny fahavononany hanohana hatrany ny fanatanjahan-tena Malagasy. Ohatra amin’izany ny fanohizana ny fanorenana kianja filalaovana Basket sy volley manerana an’I Madagasikara ka 50 no mbola haorina amin’ity taona ity, ho fanampin’ireo kianja basket sy volley 120 izay efa vita.














K




