Lalaon'ny nosy atsy Seychelles
Mitohy hatrany ny tohana hataon'ny ministeran'ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana an'ireo mpilalao basket lahy sy vavy ary ny mpilalao haltérophilie izay hiatrika ny lalaon'ny nosy atsy Seychelles.
Notolorana fitaovana ilaina amin'ny fanatanjahantena, sy vola iray hetsy ariary avy indray izy ireo ny Alahady alina 31/07/11tetsy amin'ny Motel Anosy nandritra ny fiaraha-misakafo tamin'ny minisitra Hajo Andrianainarivelo sy ramatoa vadiny.
Tsiahivina fa efa notoloranafanamiana avy izy ireo teo aloha toy ny tee-shirt, survêtement, sy tohanaina.
Ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana Hajo Andrianainarivelo izay nitsodrano ireto ekipam-pirenena malagasy momba ny basket sy ny haltérophilie ireto mba hahazo fahombiazana amin'ny lalao izay hatao. Tsiahivina fa ny mpilalao basket lehilahy dia mbola hiatrika ny fifaninanana Afro-basket amin'ity volana ity ihany, ka karazana fanomanan-tena ho azy ireo ihany ity lalaon'ny nosy ity.



















