Kaominina ambanivohitra Ankadinandriana
Faly sy sesehena omaly ny mponina sy ny vahoaka ao aminin’ny Kaominina ambanivohitra Ankadinandriana, Distrika Avaradrano, Faritra Analamanga. Lanonana efatra sosona no notanterahana , lanonana izay teo ambany fitantanan’ny Lehiben’ny mariboninahim-pirenena Ralitera Etienne sy ny vadiny, ny minisitry ny vola sy ny teti-bola Hery Rajaonarimampianina sy ny vadiny, ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fanapariam-pahefana Hajo Andrianainarivelo sy ny vadiny ary ny Lehiben’ny Faritra Analamanga Randriamobolona Mananjara sy ny vadiny. Tonga nanatrika izany ihany koa ny minisitry ny toe-karena sy ny indostria teo aloha Fienena Richard sy ny vadiny, ny minisitry ny rano teo aloha Nirhy Lanto Andriamahazo, ny Lehiben’ny fari-piadidin’ny Zandarmaria Richard Ravalomanana sy ny vadiny.
Ny fitokanana ny fampidirina angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro ao amin’ny Fokontany Ankadinandriana no nanokafana ny fitokanana. Marihina fa tetik’asa niarahan’ny Kaominina Ankadinandriana fony Hajo Andrianainarivelo Ben’ny tanàna amin’ny ADER no nahazoana nampiditra io jiro azo avaozina io. Trano miisa 26 no vatsin’io herin’aratra azo avy amin’ny masoandro. Na izany aza dia hitarina amin’ny Fokontany hafa ao amin’ny Kaominina Ankadinandriana io fampidirana jiro avy amin’ny herin’ny masoandro io. Ny Fokontany Ambohitromby, Soamonina, Andranovelona, Antanimarina no hahazo voka-tsoa amin’io fampidirana jiro azo avy amin’ny masoandro io araka ny nambaran’ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ankadinandriana Razafiarison.
Manaraka izany dia nitokana ny fampidirana rano fisotro madio tao amin’ny tanànan’Antsahabe ny delegasiona notarihin’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fanapariam-pahefana Hajo Andrianainarivelo. Marihina fa ny tanànan’Ampahitrosy koa dia nahazo fampidirana rano fisotro madio ihany koa. Izany rehetra izany dia tontosa noho ny fanampiana mivantana nataon’ny minisitera ny fanajariana ny tany sy ny fanapariam-pahefana. Raha ny ezaka fampandrosoana natao tao amin’io Kaominina Ankadinandriana io dia betsaka tokoa.
Izany dia natao ho an’ny tombo-tsoa manokana ny vahoaka izay miandrandra fiovana mankany amin’ny fampandrosoana. Marihina fa tsy misy fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena raha toa ka ny fampianarana no atao ambanin-javatra.
Niezaka mafy ihany koa I Hajo Andrianainarivelo fony izy mbola Ben’ny tanànan’Ankadinandriana ary mbola mitohy amin’izao izy minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fanapariam-pahefana izao izany ezaka izany. Noho izany rehetra izany dia nahazo “Lycée” ny Kaominina Ankadinandriana. Tsindrina manokana eto fa amin’ny eri-taona dia afaka hanala “Baccalauréat” ao ihany ny mpianatra ao amin’io Kaominina io satria dia hisy kilasy famaranana ao.
Rehefa vita ny fitokanana ny zava-bita rehetra izany dia nihaona mivantana tamin’ny vahoaka tao Ankadinandriana ny olo-manan-kaja rehetra teo anolonan’ny Kaominina sy ny tsena. Ny fanomezana mari-boninahitra “Commandeur de l’ordre national” an’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fanapariam-pahefana Hajo Andrianainarivelo no nanokafana ny lanona. Lanonana izay manan-danja manokana ho an’ny minisitra sy ny vahoaka izay miara-dia aminy. Raha ny fanazavana nentin’ny Lehiben’ny mariboninahim-pirenena Ralitera Etienne dia fankasitrahana noho ny asa natao ho an’ny mpiara-belona sy ny firenena no antony hanolorana io mari-boninahitra io fa tsy fanomezana tsotra.
Raha nandray fitenenana ny Lehiben’ny Faritra Analamanga dia nanamafy fa roso ny dia ka tsy hiverin-dalana intsony. Hiroso mankany amin’ny fanovana sy fampandrosoana izay nimatimatesan’ny vahoaka. Ny vahoakan’ny Kaominina Ankadinandriana dia tsy diso anjara amin’izany fampandrosoana izany. Momba ny fanomezana ny mari-boninahim-pirenena “Commandeur de l’ordre national” ho an’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fanapariam-pahefana Hajo Andrianainarivelo dia nanindry mafy ny Lehiben’ny faritra Analamanga fa misy dikany goavana be izany. Izany dia noho ireo adidy aman’andraikitra izay notanterahin’I Hajo Andrianainarivelo teo amin’ny tany sy ny firenena nanomboka izy Ben’ny Tanana ka hatramin’izao izy minisitra izao. “Lehilahy mpanompo ny firenena io lehilahy io” raha ny nambarany.“Raisina am-pitiavana izao mari-boninahitra izao. Irina koa ny taranaky ny faritra sy ny zanaka rehetra ho tafakatra amin’ny avo indrindra” raha ny nambaran’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fanapariam-pahefana Hajo Andrianainarivelo tamin’ny lahateniny. Marihina fa latsa-drano-maso ny minisitra raha nandray fitenena omaly rehefa nilaza izy fa hatolony ho an’ny Dadafarany io mari-boninahitra io. Nambarany fa io Dadafarany io dia 35 taona no nanompo vahoaka tao amin’io Tanana io nefa tsy nahazo sitraka tamin’ny fitondrana nisy tamin’izany. Mampalahelo izany toe-draharaha izany hoy izy satria ny olona manompo ny firenena indray no tsy mahazo sitraka manoloana ireo mpisompatra izay mahazo vahana tanteraka. Noho izany dia ialana tanteraka izany fomba fanao izany satria izany ihany no nahatonga ny vahoaka hitaky fanovana mankany amin’ny tsara indrindra raha ny nambarany.
Eo amin’ny lafin’ny fandriam-pahalemana kosa dia nanainga mafy ny zandary ao Ankadinandriana minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fanapariam-pahefana Hajo Andrianainarivelo mba tsy hisy intsony ny tsy maty manota. Tsy ekena intsony raha ny nambarany izany vaki-trano akaikin’ny tobin’ny zandarimaria ary ny olona voarohirohy amin’io halatra io dia avotsotra rehefa tonga ny alina. Ny lalàna ihany no tokony ampiarina raha ny nambarany ary tsy hananan-kavana ny fandikana ny lalàna velona sy manan-kery.
Ny minisitry ny vola sy ny teti-bola Hery Rajaonarimampianina kosa dia nanamafy fa tsy tolorana fotsiny io mari-boninahitra io fa tambiny amin’ny asa fanasoavana ny firenena izay natao. Afaka mirehareha izany ny vahoakan’Ankadinandriana fa manana an’I Hajo Andrianainarivelo, vato nasondrotry ny tany, trafo nasondrotry ny nofo. Nanentana ny vahoaka ihany koa izy mba handray ny andraikitra sahaza azy manoloana ny fifidianana ho avy. Ny fandraisan’ny vahoaka anjara amin’ny fifidianana dia mariky nyfirosoana mankanyamin’ny fandaminana ny toe-draharaha politika. Rehefa milamina io toe-draharahapolitika io dia hilamina ihany koa ny toe-draharaha ara-ekonomika. Ary rehefamilamina ny toe-draharaha ara-ekonomika dia afaka mihary am-pilaminana ny olonarehetra. Araka izany dia fifidianana madio ary eken’ny be sy ny maro nohotanterahana eto raha ny nambaran’ny minisitry ny vola sy ny teti-bola HeryRajaonarimampianina. Tsy hikeli-soroka ihany koa izy amin’ny fanampiana nyKaominina Ankadinandriana ka hanampy amin’izay tandrify azy.
Ny Kaominina miezaka raha ny nambarana dia mendrika ny ampiana.












