Trano fonenana
Mila fanorenana trano roa alina isan-taona I Madagasikara. Betsaka ny filana nefa vitsy ny tolotra, mbola sarotra amin’ny ankamaroan’ny tokatrano Malagasy ny hanana trano fonenana manara-penitra. Fotoana maro, taona maro, ary betsaka ny zavatra ampandeferina vao mety afaka hividy trano na hanorina trano fonenana iray ny tokatrano iray. Ho an’ny sokajin’olona maro aza dia mijanona eo amin’ny toeran’ny nofy sy vinavina ihany izany filàna fototry ny tokatrano izany.
Antony Maro no mahatonga ireo trangan’javatra ireo toy ny tsy fahampian’ny enti-manana ho an’ny vahoaka sy ny fanjakana, ny fahasaroatan’ny fahazahona tany hahafahana manorina, lafo sy tsy mitsaha-mitombo ny akora sy fitaovana ho enti-manorina sy ny sisa. Anisany zava-misy nanosika ny fitondram-panjakana hamolavola ny politikam-pirenena momba ny trano fonenana ireo. Ny 22/07/11 teny amin’ny CCI Ivato no nanombohana ny famolavolana izany politika nasionaly izany, izay natomboka tamin’ny fankan-kevitra tamin’ireo sehatra rehetra misahana ny fanorenana, nokarakarain’ny ministeran’ny fanjariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana.
Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana Hajo Andrianainarivelo.
Tsiahivina fa nisy ny fanambarana nataon’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita Andry Rajoelina tamin’ny volana Octobre 2010, ny hirosoan’ny fitondram-panjakana amin’ny fanorenana Trano mora , etsy andaniny ny lalam-panorenan’ny repoblika faha-4 izay manipika manokana ny zo amin’ny lafiny trano fonenana ao amin’ny andininy faha 35, manginy fotsiny ny fanambarana iraisam-pirenena fa anisany zo fototra ny fanana trano fonenana ao amin’ny andininy faha 15 ny déclaration universelle des droits de l’homme.
Efa hita taratra araka izany ny finiavan’ny fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny fampitomboana sy ny fanatsarana ny trano fonenana, izay efa natomboka na dia mbola tsy misy aza ny politikam-pirenena, toy ny fanorenana ireo trano mora, fanorenana trano fonenana ho an’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, fanorenana trano fonenana ho an’ny mpiasam-panjakana efa manomboka an’izany ny eo anivon’ny MATD ho an’ny mpiasa ao aminy, ny fanamorana ny ahafahan’ny tokatrano Malagasy maro hanana tany ho azy manokana azahoana manorina trano. Mba tsy hahafaty momoka izany ezaka rehetra izany sy mba hisian’ny rindran-damina metimety kokoa hiatrehana ny olana maharitra eo amin’ny trano fonenana no mahatonga ny ministera hijery ny tetika rehetra harafitra ao anatin’ny politika nasionaly ho an’ny trano fonenana. Ny fananana politikam-pirenena momba ny trano fonenana mantsy dia efa tafiditra sahady amin’ny fanarenan-doha ny harikaren’ny firenena eto Madagasikara. Raha ny tontolon’ny fanorenana na construction dia mahatratra hatramin’ny 11% ny PIB no ho entiny ary ny 8% ao anatin’izany ny mahasahana ny trano fonenana fotsiny raha ny tarehimarika nivoaka tamin’ny taona 2005 no raisana, izay inona fa afaka mivelatra tsara izany sehatra izany rehefa eo ny politikam-pirenena momba ny trano fonenana.











