Get Adobe Flash player

Le changement par le travail

Vinaora Nivo SliderVinaora Nivo SliderVinaora Nivo SliderVinaora Nivo SliderVinaora Nivo SliderVinaora Nivo SliderVinaora Nivo Slider
Karama 05 volana no nomen’ny Primatiora lefitra
Ho hamboarina ny lalana eo an-tampon-tanànan’i Marovoay
Inauguration dans la CR BONGATSARA
Politique Nationale de Développement
Partenaire de la FMBB
Affaire ANALOGH/BURMAS
Présentation FTM

Fitokanana birao tao Vohibato

Fotodrafitr’asa maro no vita ato amin’ny faritra Matsiatra ambony. Nahazo trano birao fiasana vaovao ny distrikan’I Vohibato. Tranon’ny distrika izay miorina ao amin’ny commune Alakamisy Itenina. Mitetina 140 tapitrisa ariary eo ho eo ny fanorenana, famatsiambola avy amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny ministeran’ny atitany kosa no niantoka manontolo ny fampitaovana ny birao.

 

Ny nizarana ho distrika telo an’I Fianarantsoa II tamin’ny taona 2007 no nahatonga an’I Isandra, Vohibato, Lalangina ho lasa distrika, ka sambany ny distrikan’i Vohibato vao nahazo izao birao vaovao iasana izao. Vohibato sy Isandra izany izao no nahavitana biraon’ny distrika, i Lalangina kosa sisa no tsy mbola manana amin’ireo distrika telo vaovao ireo ,noho ny tsy mbola fisian’ny fanapahankevitra ifotony ny amin’ny toerana hametrahana izany. Delegasionina mafonja avy amin’ny fitondrana tetezamita no tonga nitokana izany androany 13/05/11 tany Vohibato. Ahitana minisitra efatra, dia ny minisitry ny atitany Florent Rakotoarisoa, ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaream-pahefana Hajo Andrianainarivelo, ny minisitry ny fiompiana Bary Emanuel Rafatrolaza, ny ministry ny asam-panjakana ny asa ary ny lalana sosialy Henri Rasamoelina. Tonga nanotrona ihany koa ireo parlemanteran’ny tetezamita avy amin’ny faritra, ny lehiben’ny faritra Matsiatra ambony, ary ireo lehiben’ny distrika fito ao amin’izany faritra izany, notronon’ireo ben’ny Tanana rehetra ao Vohibato.

Ny fanorenana ny biraon’ny distrika toy izao hoy ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana Hajo Andrianainarivelo dia midika ho fanomezan-danja ny fitsinjaram-pahefana satria anisany tanjona amin’izao repoblika faha efatra izao ny fametrahana ny ratsamangaikan’ny fitondram-panjakana izay hitondra ny fampandrosoana ifotony. Mbola sampandraraham-panjakana efatra amin’ny ministera 33 ihany no misy ao Vohibato amin’izao fotoana izao.

Anisany hetahetan’i Vohibato ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa fototra manara-penitra ka dia naneho ny fahavononany hanampy amin’ny fangatahan’ireo ben’ny Tanana ny minisitra Hajo Andrianainarivelo arakaraka ny laharam-pahamehan’ireo commune ireo, anisan’izany ny fandoavana ny vola anjaran’ny commune amin’ny fanamboaran-dalana mampitohy an’I Masoabe sy Fianarantsoa izay nahazo famatsiam-bola avy amin’ny FER. Nananantitra kosa ny minisitry ny asam-panjakana ny asa ary ny lalana sosialy Henri Rasamoelina fa ny firosoana amin’ny fifidianana ihany aloha no ahafahana manohy ny fampandrosoana tian-kapetraka. Fanatontosana ny fifidianana izay nanetanan’ny minisitry ny atitany Florent Rakotoarisoa fa tsy tokony hiandany amin’ny atsy na ny aroa ny lehiben’ny distrika rehetra manerana an’I Madagasikara. nitondran’ny minisitry ny atitany fanazavana ny fisian’ny volavolan-dalana mikasika ny mpanohitra ho fametrahana amin’ny toerany ny mpanohitra ary efa ho dinihan’ireo parlemantera amin’izao fotoam-pivoriana izao. Tokony tsy hisy intsony hoy izay ny fanaovana ankilabao sy ny fanapenam-bava azy ireo rehefa lany soa amantsara io lalana mifehy ny mpanohitra io satria efa misy Ny sehatra hahafahan’izy ireo maneho ny heviny. Tsy tokony hiverina intsony izany tantara fonosin’ny 13 Mai izany.

Fa ankoatr’izay dia fokontany sivy ato amin’ny commune Ambonivohitry Fianarantsoa no nahazo biraom-pokontany vaovao, famatsiam-bola avy amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana. Notokanana androany ihany koa ny santionany tamin’izy ireo dia ny tao Talatamaty sy Ampitakely.

Vita soa amantsara ihany koa ny fanavaozana ny lapan’ny tananan’ny commune ambonivohitry Fianarantsoa. Mitetina 63 tapitrisa ariary mahery ny fanamborana, famatsiam-bola avy amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana ihany. Nijery ny asa vita ireo manampahefana tonga aty antoerana. Mikasika izay lapan’ny Tanana izay ihany dia fantatra izao fa hanomboka afaka iray volana ihany koa ny fanamboarana ny lapan’ny Tanana ao Toliary raha efa eo adalam-panaboarana ny lapan’ny tananan’I Toamasiana.

Raha hiverenana ny resaka fitsinjaram-pahefana dia nanomboka androany ny fankan-kevitra mivantana ho an’ireo rehetra ato amin’ny faritaninin’I Fianarantsoa momba ny fandrafetana ny lalana vaovao mifehy ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara. Mitarika ny fotoana ny avy ao amin’ny vaomiera misahana ny fanitsiana ireo didy aman-dalana mikasika ity lalana mifehy ny fitsinajaram-pahefana ity, tarihan’ny tale jeneralin’ny fitsinjaram-pahefana Anjara Manantsara, ahitana fandraisana anjaran’ireo lehiben’ny faritra, ireo parlementera , ny solotenan’ny avy ao amin’ny distrika sy ny commune ary ireo rehetra manana ifandraisany amin’ny fitsinjaram-pahefana. Efa nisy talohan’izao fikaonan-doha iraisam-paritra izao ny fankankevitra teo anivon’ny faritra tsirairay ary izao aravona miaraka izao indray. Misy tahaka izao avokoa ny eny anivon’ny renivohim-paritany enina manerana ny nosy , ny tanjona hoy ny minisitra Hajo Andrianainarivelo raha nanokatra ity atrikasa ity androany, dia tokony hiainga avy eny ifotony ny fandrafetana ny volavolan-dalana hifehy ny fitsinjaram-pahefana izay vao aravon’ireo teknisianina ary avy dia eo haverina indray ho dinihin’ny eny ifotony amin’ny alalan’ny fikaonan-doha nasionaly, ary farany vao alefa ho lanian’ireo parlemantera mba ho azo ampihariana amin’ny fanatanterahana ny voalazan’ny lalam-panorenana izay mamaritra ny vondrom-paritra hitsinjaram-pahefana ho telo dia ny commune ny faritra ary ny faritany.

Recherche

Infos

Fanampiny Fitokanana biraon'ny distrika sy fanohanana fanatanjahantena

Mitohy hatrany ny fanohananan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana ny taranja basket ball amin’ny maha mpiara-miasa amin’ny fifaninana AFRO Basket azy. Omaly 20/07/11 no tonga nanolotra fanamiana sy tohanaina Vitamine ary rano fisotro ho an’ny ekipam-pirenena malagasy izay hiatrika ny lalaon’ny Nosy ny volana Aogositra izao ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana Hajo Andrianainarivelo, tetsy Motel Anosy, satria dia sokajiana ho fanomana-tena mialoha ny lalao AFRO basket izay hatao ny vola Aogositra ihany koa ity lalaon’ny Nosy ity. Lire la suite...

Identification

Flux Rss

rss logo zimbra logo

Nos visiteurs

67992
Aujourd'huiAujourd'hui173
HierHier387
Cette semaineCette semaine2556
Ce mois ciCe mois ci7707