Get Adobe Flash player

Le changement par le travail

Vinaora Nivo SliderVinaora Nivo SliderVinaora Nivo SliderVinaora Nivo SliderVinaora Nivo SliderVinaora Nivo SliderVinaora Nivo Slider
Karama 05 volana no nomen’ny Primatiora lefitra
Ho hamboarina ny lalana eo an-tampon-tanànan’i Marovoay
Inauguration dans la CR BONGATSARA
Politique Nationale de Développement
Partenaire de la FMBB
Affaire ANALOGH/BURMAS
Présentation FTM

Révision des textes sur la décentralisation

COMMUNIQUE DE PRESSE

Ahitsy hifanaraka amin’ny lalam-panorenenan’ny repoblika faha-4 ny didy aman-dalàna mifehy ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara. Araka ny fantatra ao anatin’ny lalam-panorenenana vaovao dia naverina ny faritany ao anatin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana miampy ny faritra sy ny commune, raha nofohanana ny faritany teo aloha. Araka izany dia tokony hifanitsy amin’izany ny didy aman-dalàna mifehy ny fitsinjara-pahefana sy ny fanapariaham-pahefana eo amin’ireo vondrom-paritra ireo mba hahafahana mamaritra ohatra ny andraikiny ny fifandraisan’izy ireo.

 

Natsangana araka izany ny vaomiera hisahana ny fanitsiana ireo didy aman-dalàna mikasika ny fitsinjaram-pahefana na « commission de révision des textes sur la décentralisation » araka ny didim-panjakana N° 2011-0040 tamin’ny 26 janvier 2011 izay lany teo anivon’ny filan-kevitry ny minisitra. Vaomiera izay tarihan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana, ireto avy ny mpikamana ao anatiny:

  • Eo anivon’ny fiadidiana ny fahefana avon’ny teteza-mita ny directeur des Etude Juridiques
  • Eo anivon’ny fiadidiana ny praiminisitra ny Directeur des Etudes
  • Eo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny sekretera jenerany, ny directeur général de la décentralisation, ny directeur général de l’Aménagement du territoire, ny directeur général des services fonciers, ny directeur général du fond de développement local
  • Eo anivon’ny ministeran’ny atitany ny directeur général de l’administration du territoire
  • Eo anivon’ny ministeran’ny fitatanam-bola sy ny teti-bola ny directeur général des impôts, ny directeur général du budget
  • Eo anivon’ny ministera miandraikitra ny teti-pivoara (plan), ny directeur général du plan
  • Eo anivon’ny ministera miandraikitra ny asam-panjakana, ny directeur général de l’Ecole nationale d’Administration de Madagascar.

Ity vaomiera miasahana ny fanitsiana ireo didy aman-dalàna mikasika ny fitsinjaram-pahefana ity no hamolavola code na fitsipika vaovao hifehy ny fitsinjaram-pahefana sy ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, izay havadika ho didy aman-dalana rehefa avy eo. Azon’ity vaomiera hatao tsara ny mandray ireo soso-kevitra avy amin’izay manana izany.

Omaly 19/02/11 no nanomboka nivory voalohany tetsy amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana ity vaomiera ity, tonga niatrika izany voalohany nitondra fankaherezana sy nitondra ny tsara ho fantatra tamin’ireo mpikambana ao anaty vaomiera ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana Hajo Andrianainarivelo, nambaran’ny minisitra fa tsy maintsy atao ao anatin’ny sehatra iray ara-dalana tahaka ity vaomiera ity ny famolavolana ny volavolana didy aman-dalana vaovao mikasika ny fitsinjaram-pahefana .

Recherche

Infos

Karama 05 volana no nomen’ny Primatiora lefitra

 

imag1034Ny alakamisy faha-10 volana Mey 2012 dia nihaona tamin’ ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaomina andrenivohitr’I Mahajanga notarihin’ny ben’ny tanàna ny Praiminisitra lefitra sy ireo mpiara-dia taminy. Nohararaotin’ireo mpiasan’ny kaominina nisaorana azy noho ny fanampiana nentiny tamin’ny fandoavana ny karama 04 volana ity fotoana ity.

lirelasuite2


Identification

Flux Rss

rss logo zimbra logo

Nos visiteurs

67992
Aujourd'huiAujourd'hui173
HierHier387
Cette semaineCette semaine2556
Ce mois ciCe mois ci7707