Fandalovan’ny rivo-doza Giovanna
Amin’ny maha-zanak’Avaradrano azy, sy ny noho ny andrakitra entiny eto amin ny firenena, ary amin’ny maha olom-pirenena azy koa, dia tonga nanome tanana ireo tra-boina teny avara-drano ny praiminisitra lefitra Hajo Andrianainarivelo.
Ny Commune Ankadikely Ilafy no notsidihany voalohany. Commune isan’ireo tena voa mafy tokoa tamin ‘ny fandalovan ‘ny rivo-doza Giovanna teo.
Fianakaviana 343, ahitana olona 1524 no tra-boina t@ ity commune ity, ka vary 50 gony sy savony 75 baoritra no tsirambin ‘ny tanana nozaraina tamin’izy ireo.
Ny ben’ny tananan’Ankaikely Ilafy, dia nampahatsiahy ny asa vita tamin’ny fanajariana ny tanàna niarahana tamin ‘ny Praiminisitra lefitra, toa ny fahazoana fotodrafitr’asa maro sy ny famitàna ny lalana mamakivaky ny tanàna eny Androhibe, ka nahafahana namaha amin’ny ampahany ny fitohanan’ny fiara amin’iny faritra iny, ary nangataka mba hitohizan ‘izany fiarahaa-miasa izany.
Teny Manandriana avaradrano kosa tao anatin’ilay fokontany kely antsoina hoe ambatolampy, dia olona iray no maty, 184 ireo tra-boina, ary ny tafon’ny EPP iray no tena nahitana fahasimbana goavana.
Ankoatra ny vary sy ny savony ary, dia ny fanitso hanamboarana ny tafo sy ny karaman’ny mpiasa hanao izany no natolotry ny Praiminisitra lefitra mba ahazoan ‘ireo mpianatra an-jatony manohy ny fianarany haingana. “Ny aty ambanivohitra tsy misy mpijery aty no ezahina ampiana” hoy Atoa Hajo Andrianainarivelo”.
Fanombohana amin ‘ny fijerena ny voina mahazo ny mpiray tanindrazana ihany izao, hoy ihany ny Praiminisitra lefitra misahana ny Fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany,
fa ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny vice-primature dia efa namonjy ireo mpiara-miasa any Vatomandry, izay tra-boina tanteraka, satria rava avokoa na ny trano fiasana na ny trano fonenan’izy ireo nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza Giovanna iny.










