Ordre des architectes
Birao vaovao no mitantana ny olafitry ny mpanao maritrano nanomboka izao. Lany ho filoha indray Atoa Michel Rabariharivelo. 16 kosa ireo mpanao maritrano no voasoratra ao anantin’ny tableau de l’ordre, izay hany mahafeno ny fepetra takiana hatramin’izao. Androany no nivory voalohany ny holafitrin’ny mpanao maritrano tetsy amin’ny motel Anosy handaminana ny fomba fiasa sy hifidianana izay hitantana ny birao. Tonga nanokatra izany ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana Hajo Andrianainarivelo.
Natao izao fananganana ny holafitry ny mpanao maritrano izao noho ny fahatsapana fa manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny architecte, eo amin’ny sehatry ny fanajariana, ny fanorenana ary ny fitantanana ny tanan-dehibe. Ho an’ny ministera manokana dia hahafahana manamora ny fanaraha-maso ireo fotodrafitrasa izay tokony ilana architecte ary hahafahana ihany koa misoroka ny fanorenana tsy ara-dalana ny fitsanganan’ny holafitra, ankoatra ny fanomezan-danja ity asa ity. Araka ny lalàna dia ny fanorenana mihoatra ny 150 m2 dia tsy mahazo fazahoan-dalana hanorina raha tsy misy architecte manao ny fandrafetana ny asa. Tokony tsy maintsy manantona architecte ireo izay manao trano hoy ny minisitra mba hananana trano manara-penitra.
Tsiahivina fa tamin’ity taoana ity no tafajoro ny holafitry ny mpanao Maritrano architectes Malagasy raha Efa tamin’ny taona 1993 no naminavianan’ireo mpanao maritrano malagasy mba hamondronana ny hery ho ao anatin’ny holafitra iray, tamin’izany fotoana izany no nivoaka ny didy aman-dalana nifehy ny holafitry ny mpanao mari-trano, tamin’ny 25 Avril 1993, saingy amin’izao taona 2011 izao vao tafajoro izany holafitra izany. Nanampy tamin’ny fananganana izany rahateo ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana, izay hanome Tanana ihany koa amin’ny fampiharana ireo didy aman-dalana.
Azo lazaina fa mbola vitsy ireo mbola ao anatin’ny holafitra amin’izao fotoana izao, ary hanentanan’ny ao amin’ny birao mitantana ity holafitra ity, ireo namany mba hisoratra anarana ao amin’ny tableau izay vao nosokafana. Mahatratra any amin’ny 50 any ho any kosa ireo mpanao maritrano malagasy no mijanona miasa any ivelany rehefa avy nahavita fianarana, any ivelany rahateo aloha hatreto no mianatra ireo malagasy te hanao architecte, mbola tsy misy sekoly manana traikefa manofana an’izany eto amintsika, satria ireo sekoly manaraka ny fitsipika fototra na charte de la formation des architectes izay nosiniavin’i Madagasikara amin’ny maha mpikambana antsika ao amin’ny UIA Union internationale des architectes, ihany, no afaka mamoaka mpanao maritrano, ary afaka mitondra ny anarana architecte, ka ireo ihany araka izany no afaka mihiditra ao anatin’ny olafitra.
Nambaran’ny filohan’ny filankevitra Atoa Michel Rabariarivelo fa mila fanarenana aingana ny tanan-dehibe eto amintsika raha ny firafitry ny tanana sy ny fanorenana no jerena. Vonona hitondra ny ajara birikiny amin’izany ireo mpanao maritrano.











